mesazy

From KoloikoWiki
Jump to: navigation, search

: [me'sazi]

Jereo koa: mailaka (anarana)

Anarana

  1. Hafatra fohy an-tsoratra alefa amin'ny finday.
    Alefaso mesazy aty aminay ny valim-panontaniana.
    Tsy voaraiko ilay mesazy nalefanao fa hamarino tsara sao diso ny laharan'ny finday.

Fanafohezanteny hita anaty mesazy

  • @
    amin'ny
  • aona
    ahoana
  • d
    dia
  • dhl
    daholo
  • mande
    mandeha
  • oh
    ohatra
  • rad
    ray aman-dreny
  • slm
    salama
  • sns
    sy ny sisa
  • t@
    tamin'ny
  • t@
    tamin'ny
  • tht
    tahian'ny Tompo
  • vlm
    veloma
  • zfd
    azafady
  • zvt
    zavatra

Fanamarihana

Fohy dia fohy ny "mesazy" raha oharina amin'ny "mailaka" satria voafetra ihany ny isan'ny soratra azo alefa anatina mesazy. Noho io antony io dia fanafohezan-teny matetika no ampiasain'ny olona rehefa mandefa mesazy.