Portal:Kolontsaina

From KoloikoWiki
Jump to: navigation, search

Kolontsaina malagasy

Kolontsaina malagasy

Eto no pejy fandraisana hidirana amin'ny kolontsaina malagasy.

Lahatsoratra notsongaina

Ireto ambany ireto ny famaritana ireo karazam-pitenenana mikasika ny kabary miaraka amin'ny fanazavana ny dikan'izy ireo:

atao an-kabary 
raharaha tokony nodinihana am-pihavanana nefa natao antso avo hiantsoana sy namoriana vahoaka
azon-kabary 
anateran'ny olona ady na torian'ny olona, izany hoe: tongavan'ny olona ao an-tokatranony ohatra dia ilany ady
be kabary 
olona tia fifamaliana na tia teniteny, olona mora tohina amin'ny zavatra tsinotsinona

Lahatsoratra niditra farany

Fantatrao ve?

Ny atao hoe kabary be molotra dia vehivavy mahay mandangolango olona amin'ny resaka mahataona.

Ny atao hoe kabary betsimisy dia ody atao hampandamoka ny fiampangana mba tsy hahavanona ny fitoriana.

Ny atao hoe kabarim-behivavy dia resaka na ady hevitra tsy misy filaminany fa samy mitsatsaingoka ary milelalela be ihany.

Ny atao hoe kabary miaramila dia mitovy amin'ny hoe: baiko miaramila izany hoe baiko hentitra tsy maintsy tanterahina tsy misy ady hevitra.

Lesona fohy

Ny tantana dia ilay fiaraha-misakafo mandritra ny famadihana na ilay antsoina hoe vary be menaka.

Purge server cache