Main Page

From KoloikoWiki
Jump to: navigation, search

KoloikoWiki,
sehatra natokana ho an'ny teny sy ny kolontsaina malagasy.
Tantanan'ny vondrona koloiko sy Hajaiko ny Teniko.
Niforona tamin'ny 7 Septambra 2015.

Lahatsoratra vaovao

Taloha tamin’ny andron’ny faha mpanjaka dia nanjaka tokoa ny fanompoana Sampy. Isan’izany sampy malaza sy notompoina tamin’ izany Ramahavaly. Izy dia sampy ody mamba, ody mosavin’olona, ody aretina. Izay rehetra misy dia afany daholo. Avy any Matitanana atsinanan’ Ikongo no niavian’i Ramahavaly. Ramahavaliarivo no nanana azy, ary noraisin’Andrianampoinimerina avy hatrany izy nony azony. Bibilava no tena filalaon’io sampy io ka raha te hanompo azy ny olona dia miantso bibilava. Tao Amboatany no nisy azy. Lasa bibilava ivavahana izy. Hamaky ny tohiny...

Fantatrao ve?

Ny atao hoe lamba jabo dia lamba natao tamin'ny rofia sy landihazo (ny tenany rofia, ny fahany landihazo).

Ny atao hoe fahamborodamba dia lamba vita amin'ny rofia sy vorodamba (ny tenany rofia, ny fahany vorodamba).

Ny atao hoe lamba rongony dia lamba natao tamin'ny rongony.

Hamaky ny tohiny...

Rakibolana

Ireo teny niditra farany:

Pejy hafa misongadina