Gabriel Rabehasina

From KoloikoWiki
Jump to: navigation, search

Gabriel Rabehasina dia mpanakanto Malagasy malaza fantatra amin'ny solon'anarana hoe Gabhy.

Tao amin'ny tarika Kintana Telo no tena nahafantarana azy niaraka tamin'i Romule sy Salomon nanomboka ny taona 1983.

Hatramin'ny 1950 izy no efa nihira. Maro ireo mpamoron-kira nanome hira hohirainy, anisan'ireny Noelson Lalao, Luis Rasoanaivo, ary Ramaroson Wilson.

Nahafantarana azy koa ny fampiaraham-peo nataony tamin'ireo vehivavy mpihira malaza.

Ankoatry ny maha mpihira azy dia mpilalao teatra koa i Gabhy. Efa niarahany ny Tropy Telonohorefy sy Maitsoanala.

Tamin'ny 27 Aogositra 2010 i Gabhy no nodimandry.