Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 29 Oktôbra 2019, pejy 9.
Ny tontolo andron'ny 9 Nôvambra izao, manomboka amin'ny 8 ora sy sasany maraina, hotanterahina eny amin'ny Haitsiron'Iarivo, eny Alarobia, ilay Kôonferansa Momba ny Soratra (KMS 2019).
Ny tontolo andron'ny 9 novambra izao, manomboka amin'ny 8 ora sy sasany maraina, hotanterahina eny amin'ny Haitsiron'Iarivo, eny Alarobia, ilay Kôonferansa Momba ny Soratra (KMS 2019) karakarain'ny vondrona Koloiko sy hajaiko ny teniko. Amin'ity taona ity, hivelatra be ny lohahevitra satria ahatazanana ireo karazan-tseho na tranga misy momba ny tontolon'ny soratra, tsy eto an-toerana ihany fa mifamatotra amin'ny any ivelany ihany koa.
Gaby kely: "Ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana manoloana ny asasoratra ankehitriny." -- Jirom-panahy: "Licence poétique" -- Mihanta: "Ny asasoratra ankehitriny: ny firoborobony, ny olany, ny vahaolana azo aroso." -- Poety Rebely: "Teknika sy torohevitra fomba famoronana slam-poezia." -- Voniary: "Teny Gasy 2.0: Ny teny malagasy any amin'ny Aterineto" -- Ravorombato: "Ny tantara an'onjampeo: Ny tantarany, ny anjara toerany, ny olana sedrainy."
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts