Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 28 Martsa 2018, pejy 4.
Tafiditra ao anatin'ny hetsika fanaon'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ny fanomezana maripankasitrahana ireo mpanoratra mendrika ao anatin'ny taona iray.
Vokatry ny fifantenana sy ny fitiavan'ny olona ny saganasany, i Dafy Noely no nandrobaka ilay amboara maneho fa voafidy ho Mpanoratry ny Taona 2017 (MNT 2017) izy. Ao amin'ny foiben-toeran'ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO, etsy Behoririka, no hanatanterahana ny fanolorana ny amboara ho azy, ny asabotsy 7 Aprily izao manomboka amin'ny 9 ora maraina. Hifanindran-dalana amin'izany ny fizarana loka ho an'ireo mpanoratra nifaninana tamin'ny tononkalo momba ny fitiavana. Laharana voalohany tamin'izany i Barry Sirjon, faharoa Cotton Wood, ary ny laharana fahatelo i Toky Ny Aina Joseclaudio.
Marihina fa ny tononkalo rehetra nalefan'ny mpanoratra tsirairay nandritra ny taona iray no nitsaran'ny olona rehetra izay ho Mpanoratry ny Taona. Ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko kosa no mandrindra ny fizotry ny hetsika amin'ny alalan'ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera Facebook.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts