• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 28 Febroary 2017

Fanandratana ny maha Malagasy: Fito taona androany ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 28 Febroary 2017, pejy 4.

Fandraisana andraikitra avy hatrany! Iray amin'ireo nanatanteraka izany ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko raha vao tafatsangana tamin'ny taona 2010. Teny, fitafy, soratra, samy nanandratan'izy ireo ny maha Malagasy avokoa ...

Taona 2010, tafatsangana tao anatin'ny tambajotran-tseratsera Facebook ny vondrona Arovy ny teny Malagasy. Niova anarana izany ny taona 2012 ka nanjary Andrianiko ny teniko. noho ny antony samihafa, nanapa-kevitra ny tompon'andraikitra fa Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT) ny anarana ampisalorana ity vondrona mandia ny fahafito taonany androany ity. Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa homarihina amina hetsika iray hotontosaina ao amin'ny Institution FJKM Rainandriamampandry Ankadifotsy, ny Asabotsy 4 Martsa izao manomboka amin'ny 8 ora maraina. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ny fanolorana fanomezana ho an'ireo mpifaninana nahazo ny laharana telo voalohany tamin'ny fifaninanana fanoratana tononkalom-pitiavana nokarakarain'ny KHT. Fiantsana tononkalo arahina feom-balihan'ny Ako Miantefa, izay hanana ampaham-potoana hanehoana ny hakanton'ny feom-baliha rahateo. Velakevitra arahina adihevitra momba ny fampitiavana sy fampandrosoana ny kolontsaina malagasy miaraka amin'ny Riambola Mitia. Fanapahana ny koba hanamarihana ny fahafito taona.

Ankoatra ny fifaninanana manoratra tononkalo, efa nanatanteraka fifaninanana manoratra sombintantara hatsikana ny vondrona KHT. Tsy ny tenindrazana ihany no omen-danja fa efa nisy ny fifaninanana momba ny fitafy malagasy sy fampahafantarana ny tantaram-pirenena.


Gazety Taratra 28-02-17

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts