• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 27 Novambra 2017

KMS 2017: Nafana ny fifanakalozan-kevitra

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 27 Novambra 2017, pejy 4.

Tontosa ny Kônferansa momba ny soratra taona 2017. Hetsika nandinihina lohahevitra enina mifandraika amin’ny tontolon’ny soratra sy ny sehatra misy azy.

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana tao anatin’ny indray andro nandritra ny velakevitra narahina fifanakalozan-kevitra notontosaina ny asabotsy 25 novambra teo, tao amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia. Niainga tany amin’ny lohahevitra voalohany Asa soratra sy ny teknôlôjia vaovao toy ny Aterineto, Facebook, WordPress, sns, novelaberalin'i Rima ka hatrany amin'ny Ny lanjan'ny soratra eo amin'ny fampahalalam-baovao nohazavain-dRazafindrakoto Hary, nafana tanteraka ny fifanakalozan-kevitra isaky ny lohahevitra tsirairay. Anisan'izany ny andram-pamaritana ny atao hoe tsara sy ny kanto, izay saika nanana ny nanazavany azy avy ny mpanatrika sy ny mpanoratra Ny Andriniela, izay namelabelatra ny lohahevitra Ny hoavin'ny poezia sy ny toeran'ny mpamaky manoloana ny firoboroboan'ny mpanoratra sy ny asa soratra ankehitriny.

Raha ny vina napetraky ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko, nikarakara ny KMS 2017, havoaka anaty boky tokana ireo velakevitra enina notontosaina tamin'ity hetsika ity. Hotohizana hatrany ihany koa ny Kônferansa momba ny soratrra. Nohamafisin'izy ireo hatrany kosa anefa ny fisaorana ireo nanohana izao hetsika ho fampivelarana ny tontolon'ny soratra eto Madagasikara izao, izay nahitana ny Haitsiron'Iarivo sy ny Zoromanga ary ny Librairie Antso FJKM.


Gazety Taratra 27-11-17

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts