KMS 2018: nivoaka ny fandaharam-potoana

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 26 Oktobra 2018, pejy 4

Efa nivoaka ny anaran'ireo hamelabela-kevitra mandritra ny Kônferansa Momba ny Soratra 2018 (KMS 2018). Nivoaka nanaraka izany koa ny lohahevitra hohazavain'izy ireo. Ankehitriny, nivoaka ny fandaharam-potoana raikitra hotanterahina amin'io KMS 2018 io.

Ny 10 Novambra izao, ao amin'ny Haitsiron'Iarivo Infra etsy Alarobia no hanatanterahana ny hetsika rehetra. Hanomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny fizarana ny kits sy ny badges. Raha vao mipaika ny amin'ny 8 ora sy 30 mn, hisesy tsikelikely ny velakevitra hiresahana lohahevitra marolafy. Haharitra adiny iray isanisany ny famoaboasana ny lohahevitra ka ny 20 mn famelabelarana ny lohahevitra, ny 40 mn famaliana ny fanontanian'ny mpanatrika. Telo ny velakevitra maraina, roa kosa ny tolakandro. Mialoha ny famaranana, hisy fifanakalozan-kevitra malalaka.


Mba hifantohan'ny tsirairay amin'ny zavatra rehetra atao eny an-toerana, ao amin'ny Haitsiron'Iarivo ihany no hantanterahana ny sakafo atoandro sy ny fialana hetaheta eny antsefatsefam-potoana ... Hentaninana avokoa ireo rehetra mahatsiaro fa manana adidy amin'ny fikoloana ny teny sy ny soratra ho tonga marobe ... hoy ry zareo avy ao amin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT) mikarakara isa-taona ity hetsika ity. Ny Zoromanga sy ny Haitsiron'Iarivo kosa no mpiara-miasa amin'ny hanatanterahana izany.