• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 26 Janoary 2019

Ravorombato sa Poète Rebelle? Ho fantatra ny "Mpanoratry ny Taona 2018."

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 26 Janoary 2019, pejy 4.

Anisan'ny hetsika hoenti-mampirisika ny mpanoratra sy ny poeta havitrika sy hisahana hatrany izany adidy masina izany ny "Mpanoratry ny Taona." Andriambavilanitra roa no hifaninana amin'izany raha ho an'ny taona 2018.

Tafiditra ao anatin'ny dingana manaraka ny fitsarana izay ho "Mpanoratry ny Taona 2018." Mpanoratra roa samy manana ny maha izy azy ny hifaninana handrombaka io anaram-boninahitra io, Ravorombato Ony Lantoarimamy, sy i Poète Rebelle. Anisan'ny hitsarana azy ireto ny zava-bitany tao anatin'ny taona 2018. Ao anatin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ao amin'ny Facebook no ahitana ny mombamomba azy ireo sy ny zava-bitany. Avy amin'izany no hitsarana sy hanomezana naoty ny tsirairay.

Izany hoe, afaka mandray anjara amin'ny fitsarana avokoa ny olon-drehetra amin'ny alalan'ny www.koloiko.com. Ny 31 Janoary 2019 izao no fotoana farany ahafahan'ny rehetra mitsara. Indray mandeha ihany no afaka mifidy ny olona iray. Ny 4 Febroary kosa no hamoahana ny ôfisialy ny vokatry ny fifidianana. Atao "bonus" (ambony apanga) ny naoty vokatry ny fifidianana ataon'ireo mpanohana ny mpifaninana tsirairay. Ny mpikarakara ity hetsika fanao isan-taona ity (vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko) kosa no hisahana ny fitsarana sy ho tompon'ny teny farany amin'izay mandresy ka omena ny anaram-boninahitra. Toy ny fifaninanana rehetra, mandresy izay mahazo isa betsaka indrindra

Gazety Taratra 26-01-19

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny KHT ianao dia mitsidiha ny pejy Facebook an'ny KHT.

KHT

© 2019 KHT | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts