• KHT / /
  • Gazety Taratra, 25 Novambra 2017

Kônferansa momba ny soratra 2017: Hanjaka ny fifanakalozan-kevitra

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 25 Novambra 2017, pejy 4.

Tontosaina anio tontolo andro, eny amin'ny Haitsiron'Iarivo, etsy Alarobia ny Kônferansa momba ny soratra 2017 na ny KMS 2017.

Raha ny fandaharam-potoana sy fandaminana, hitana ampaham-potoana lehibe ny fifanakalozan-kevitra miainga avy amin'ireo velakevitra hotontosain'izy enina mianadahy hanatanteraka izany. Arahina fifanakalozan-kevitra avy hatrany ny velakevitra tsirairay. Anisan'ny tanjona tratrarina amin'izany ny hitsirihana ny olana mahazo ny tontolo'ny soratra sy ny mety ho vahaolana. Ao ihany koa ny toerana misy ny soratra manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Ireo lohahevitra hovelabelarina mandritra ny KMS 2017

Ny Malagasy tsy tompon'ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana (Aja), Teknika sy torohevitra fomba fanoratana tononkira (Endrika isehoan'ny asa soratra ao anatin'ny mozika rap) (Farah), Ny hoavin'ny poezia sy ny toeran'ny mpamaky manoloana ny firoboroboan'ny mpanoratra sy ny asa soratra ankehitriny (Ny Andriniela), Ny asa soratra sy ny teknôlôjia vaovao (Rima), Ny lanjan'ny soratra ao anatin'ny filazam-baovao (H.R.), ary ny Asa soratra sy ny fanatontoloana (Poète Rebelle).

Marihina fa ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT) no mikarakara ny hetsika. Manohana ity vondrona ity amin'izany ny Zoromanga sy ny Librairie Antso FJKM, ary ny Haitsiron'Iarivo.


Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny KHT ianao dia mitsidiha ny pejy Facebook an'ny KHT.

KHT

© 2018 KHT | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts