Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 24 Aogositra 2017, pejy 4.
Vokatry ny fifaninanana nampanaovin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT), voahosotra ho mpanoratry ny taona 2016 i Dafy Noely.
Natolotra azy omaly tetsy amin'ny foiben'ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO etsy Behoririka ny samboady sy ny mari-pankasitrahana ary ireo valisoa manambara sy manamarina izany avy amin'ity vondrona ity.
Tamin'ny alalan'ny Facebook no nitsaran'ireo mpitsidika ity tambajotran-tserasera ity sy ny mpitsara avy ao amin'ny KHT ka nahazoan'i Dafy Noely tamin'ny alalan'ireo sanganasany izao laharana voalohany izao. Miompana bebe kokoa any amin'ny vehivavy ny sanganasako. Tsy voatery ho fitiavana fa ao ny momba ny reny, ny fitaizana sns. Na izany aza manoratra tononkalo hafa ihany koa aho,
hoy i Dafy Noely.
Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanamarihany fa mila omena lanja ny teny Malagasy na eo aza nyfirimorimon'ny teknôlôjia. Tsy olon-tokana fa fiaraha-mientana avy amin'ny tsirairay no takina fa raha sanatria mitohy izao, afaka 50 taona eo ho eo ho rava tanteraka ny teny Malagasy,
hoy i Dafy Noely.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts