• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 20 Janoary 2016

Hosokafan'ny fitiavana ny fifaninanana

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 20 Janoary 2016, pejy 4.

Sahala ny tamin'ny herintaona, hatomboka amin'ny resa-pitiavana ny fifaninanana ampanaovin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko amin'ity taona 2016 ity.

Marihina ao anatin'ny volana Febroary rahateo ny fetin'ny mpifankatia. Lohahevitry ny tononkalo, fitiavana. Misokatra ny alahady 24 Janoary izao ny fifaninanana ary miafara amin'ny 30 Janoary. Aorian'io manomboka avy hatrany ny fitsarana ka ny Alahady 7 Febroary ny valiny ôfisialy. Zaraina alohan'ny 14 Febroary ny valisoa mba hahafahan'ny mpandray anjara manao fety finaritra miaraka amin'ny olon-tiany, hoy ny mpikarakara.

Tsy maintsy tononkalo tsy mbola nivoaka na taiza na taiza no azo hampandraisina anjara. Fepetra faharoa, tsy maintsy mpikambana (na miditra mpikambana ho an'izay mbola tsy mpikambana) ao amin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (Facebook) ny mpifaninana. Tsy handeferana ny diso tsipelina.

Raha ny fanazavan'ny tompon'andraikitra hatrany, efa azon'ny mpifaninana atao ny mamorona fa holazaina amin'ny manaraka kosa ny fomba handefasana izany ao amin'ny vondrona.


Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny KHT ianao dia mitsidiha ny pejy Facebook an'ny KHT.

KHT

© 2019 KHT | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts