• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 16 Janoary 2016

Hitohy ny fifaninanana - Gazety Taratra

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 16 Janoary 2016, pejy 4.

Raha ny nambaran'ny mpikarakara, azo antoka fa hitohy amin'ity taona 2016 ity ilay fifaninanana momba ny teny Malagasy ampanaovin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko.

Fahaizana mifehy ny teny Malagasy amin'ny fitsipi-panoratra. Fahaizana maneho hevitra amin'ny teny Malagasy madiorano amin'ny alalan'ny tononkalo sy sombintantara ary angano. Ankoatra io fitohizan'ny fifaninanana io, hanatanteraka hetsika maromaro hafa izay tsy hanalavitra ny fikajiana sy fampitiavana ary fampivelarana ny teny Malagasy ihany koa ity vondrona anaty Facebook Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ity.

Manomboka tsy masina an-taniny ny teny Malagasy. Mila omena aina ny karazana hetsika na fifaninanana tahaka izao. Hatreto anefa, mbola vitsy ireo manana finiavana hanatanteraka izany. Matetika, mibahana ao an-tsain'ny Malagasy ilay fiheverana fa azy ny teny Malagasy ka hainy tsara. Tsy izay anefa ny tena zava-misy fa sady tsy mahafehy ny teniny ny Malagasy no mikatsaka fatratra ny hanary azy amin'ny alalan'ny fitenenana ny teny vahiny.

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts