• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 14 Jolay 2018

Soratra sy ny tontolony: Andiany faharoa ny KMS

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 14 Joay 2018, pejy 4.

Fanamby napetraky ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT) ny hanohizana hatrany ny hetsika Kônferansa momba ny soratra (KMS).

Hiditra amin'ny adiany faharoa tokoa izy ity, ny 10 Novambra izao. Antsoina ireo maniry ny handray anjara amin'ny fitondrana ny famelabelaran-kevitra handefa ny lahatsoratra mirakitra ny velakevitra hataony ahafahana mifantina ireo enina hitondra ny velakevitra amin'ny KMS 2018, hoy ny mpikarakara. Ao anatin'ny www.koloiko.com no hakana ny template hanatanterahana izany. Ao anatin'io site web io rahateo no ahitana ny andinindininy rehetra. Mandritra ny kônferansy, manana adiny iray avy ireo voafantina ka 15 mn ka hatramin'ny 20 mn, velakevitra ary ny 30 mn ka hatramin'ny 40 mn, hamaliana ny fanontanian'ny mpanatrika.

Tsy hanalavitra ny tontolon'ny soratra ny lohahevitra fidin'ireo handray anjara. Anisan'izany, ohatra ny asa soratra malagasy sy ny fanatontoloana, asa soratra sy ny teknôlôjia vaovao, teknika sy torohevitra ary fomba fanoratana sombintantara, tononkalo, tantara foronina, tantara ho an'ny ankizy, angano, asa soratra siantifika, asa soratra an-gazety, blaogy, sns., tsipelina sy ireo voambolana malagasy vaovao, sns.


Gazety Taratra 14-07-18

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts