• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 14 Jolay 2017

Mpanoratry ny Taona 2016: Voafidy i Dafy Noely

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 14 Joay 2017, pejy 4.

Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Mitohy hatrany ny hetsika ho fanabeazam-boho ny teny Malagasy karakarain'io vondrona anaty tambanjotran-tserasera Facabook io. Voafidy ho Mpanoratry ny Taona 2016 i Dafy Noely.

Maro ireo mpanoratra nametraka ny sanganasany tao amin'ny KHT. Nampiana ireo asa soratra nisongadina tamin'ireo fifaninanana nokarakarain'ity vondrona ity nandritra ny taona 2016. Naroso hofidin'ny olona izy ireny. Taorian'ny dingana roa tamin'ny fitsarana, 13 ny isan'ny voafantina. Nahazo ny laharana voalohany teo aloha'ny sanganasan'i Soamiely Andriamananjara sy ny an'i Barry Sirjon ny diampenin'i Dafy Noely.

Anisan'ny mpanoratra nametraka ny sanganasany maro indrindra ao amin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko i Dafy Noely. Maro manaraka izay ihany koa ireo nifidy ny sanganasany ka izao nisalorany ny Mpanoratry ny Taona 2016 izao.

Fantatra fa hatolotra azy amin'ny volana Aogositra izao ny mari-pamantarana sy ny valisoa milaza izay ezaka lehibe vitany eo amin'ny tontolon'ny soratra sy ny teny Malagasy izay.


Gazety Taratra 14-07-17

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts