• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 12 Novambra 2019

Hatsaraina hatrany ny fomba fiasa: Tontonsa ny Kônferansa Momba ny Soratra 2019

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 12 Novambra 2019, pejy 9.

Notanterahina, ny faran'ny herinandro teo tao amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia, ny Kônferansa Momba ny Soratra 2019.

Notanterahina, ny faran'ny herinandro teo tao amin'ny Haitsiron'arivo eny Alarobia, ny Kônferansa Momba ny Soratra 2019. Nifanakalozan'ny mpikarakara hevitra taorian'ny hetsika ny hanatsarana hatrany ny fomba fiasa hahazoana vokatra tsaratsara kokoa hatrany. Anisan'izany ny tokony handefasana mialoha ny antso ho an'ireo handray anjara sy hanatrika ilay hetsika. Faharoa, ho hentitra kokoa io fomba fisoratana anarana io hisorohana ny toerana voatazona fotsiny kanefa tsy tonga ilay nanao famandrihana. Fahatelo, hodinihina manokana ny hamoahana ilay boky mandravona ny Kônferansa Momba ny Soratra taona 2019. Tsirin-kevitra avy amin'ny mpikarakara sasany mantsy ny hanambarana ho boky iray ny kaonferansa andiany telo.

Ho an'ireo nanatrika kosa, niara-niombon-kevitra izy ireo ny maha zava-dehibe ny hetsika tahaka itony. Nisy amin'izy ireo aza ny nanolo-kevitra ny amin'ny tokony hanatanterahana azy ity indroa ao anatin'ny taona iray. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nisandrahaka tamina sehatra maro ny olona nanatrika ny KMS 2019. Tao ny mpampianatra, ny mpikaroka, ny mpanoratra, ny mpikirakira kajy mirindra, sns.

Gazety Taratra 12-11-19

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts