• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 10 Febroary 2021

MNT 2019: Hivaly tsy ho ela ny fifaninanana

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 10 Febroary 2021, pejy 5.

Hivaly tsy ho ela ny fifaninanana.

Eo amin'ny tontolon'ny asa soratra, iray amin'ireo fifaninanana anisan'ny maro mpanaraka ny Mpanoratry ny Taona, karakarain'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Noho ny fisian'ny valan'aretina Coronavirus ny taona 2020, tsy mbola fantatra ny Mpanoratry ny Taona 2019. Fantatra, omaly, fa hivoaka tsy ho ela ny valin'ity fifaninanana ity satria efa tonga any amin'ny mpikarakara ny tambatrisa rehetra.

Raha tsiahivina, mpanoratra telo no tafiditra ao anatin'ny fifaninanana: i Fanja Razah sy i Voniary ary i Hobiana. Tafiditra ao anatin'ny fepetra hitsarana azy ireo ny kalitao sy hakanton'ny asa sorany, ny kalitao sy hakanton'ny boky navoakany, ny lanjan'ireo hetsika sy seho nandraisany anjara, ny loka goavana azony ary ny fisongadinana hafa.

Hetsika anisan'ny manana ny maha izy azy eo amin'ny tontolon'ny soratra ny Mpanoratry ny Taona. Iray amin'ireo tanjon'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko amin'ny fikarakarana azy ity ny hanome lanja indray ny soratra sy ny teny ary ny mpanoratra. Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa mila hamaroina ny fifaninanana toy izao hoenty-mamoha ny talenta miafina sy mampirisika izay efa eo am-perim-panoratana.

Gazety Taratra 10-02-21

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny KHT ianao dia mitsidiha ny pejy Facebook an'ny KHT.

KHT

© 2019 KHT | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts