Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 09 Novambra 2019, pejy 9.
Notanterahina, ny faran'ny herinandro teo tao amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia, ny Kônferansa Momba ny Soratra 2019.
Tontosaina anio tontolo andro eny amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia ny Kônferansa Momba ny Soratra (KMS 2019) karakarain'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Tsy hijanona hatreo amin'ny velakevitra sy fifanakalozan-kevitra ihany ny hetsika fa harafitra anaty boky ho azo ampiasain'ny olon-drehetra (mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, sns).
Gaby kely: "Ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana manoloana ny asasoratra ankehitriny." Jirom-panahy: "Licence poétique" -- Mihanta: "Ny asasoratra ankehitriny: ny firoborobony, ny olany, ny vahaolana azo aroso" -- Poety Rebely: "Teknika sy torohevitra fomba famoronana slam-poezia." -- Voniary: "Teny Gasy 2.0: Ny teny malagasy any amin'ny Aterineto" -- Ravorombato: "Ny tantara an'onjampeo: Ny tantarany, ny anjara toerany, ny olana sedrainy."
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts