• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 08 Aogositra 2019

Kônferansa Momba ny Soratra ho maroloha ny lohahevitra

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 08 Aogositra 2019, pejy 9.

Tafiditra amin'ny andiany fahatelo ny hetsika lehibe Kônferansa Momba ny Soratra.

Tafiditra amin'ny andiany fahatelo ny hetsika lehibe Kônferansa Momba ny Soratra. Ho maroloha ny lohahevitra hovelabelarina satria hahatratra 6 ireo handahan-teny amin'izany. tsy mbola fantatra izy ireo fa antso no ataon'ny vondrona Koloiko syHajaiko ny Teniko (mpikarakara ny hetsika). Izay te hitondra velakevitra amin'ity andiany fahatelo ity, tokony handefa ny lohahevitra sy ny lahatsoratra mirakitra ny famelabelaran-kevitra hataony mandritra ny konferansa. Ry zareo mpikarakara no hifantina izany avy eo. Rahany vina napetraka, ny 16 Novambra izao no hanatanterahana ny Kônferansa Momba ny Soratra ao amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia.

Fotoana tsara ho fantatra

Marihina fa ankoatra ny velakevitra, anisan'ny zava-dehibe ao amin'ny KMS ny fahafahana mifanakalo hevitra eo amin'ny mpanatrika sy ireo hanatanteraka ny velakevitra. Hevitra maro no mipoitra izay ezahina ny handraikitra azy ireny ao anatina tahirin-kevitra toy ny boky hanatsarana ny tontolon'ny asasoratra amin'ny ankapobeny.

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny KHT ianao dia mitsidiha ny pejy Facebook an'ny KHT.

KHT

© 2019 KHT | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts