• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 07 Septambra 2019

Ho marolafy ny lohahevitra: raikitra ny KMS 2019

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 07 Septambra 2019, pejy 9.

Anisan'ny hetsika kolontsaina fanao isan-taona tanterahin'ny vondrona Koloiko sy hajaiko ny teniko (KHT) ny Kônferansa Momba ny Soratra. Tsikaritra fa misy fivelarana hatrany ny andiany tsirairay …

Fantatra fa hotanterahina ny 9 Novambra izao, eny amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia, ny Kônferansa momba ny soratra na ny KMS 2019. Anisan'ny hampiavaka ity andiany fahatelo ity ny fivelaran'ny lohahevitra amina sehatra marolafy. Anisan'izany ny "Ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana manoloana ny asasoratra ankehitriny," ny "Licence poétique" na ny fanomezana fahafahana ny mpanoratra mba hanova ny fomba fanoratra ny teny iray hampirindra ilay asasoratra. "Ny asasoratra ankehitriny: ny firoborobony, ny olany, ny vahaolana azo aroso," ny "Teknika sy torohevitra fomba famoronana slam-poezia," ny "Tantara an'onjampeo: Ny tantarany sy ny olan'ny mpanoratra ary ny teknikam-panoratana," ny "Teny Gasy 2.0: Ny teny Malagasy any amin'ny Aterineto."

Enina kosa ireo hanatanteraka ny velakevitra: Rajaonarivony Hasina na i Gaby Kely, Rahoiljaon Harinaivo Maminirina Tiana Mickaël na Jirom-panahy, Rasoanivo Faralalaina Elia Olsenie na Poety Rebely, Ravorombato Ony Lantoarimamy na Ravorombato, ary i Mbolanantenaina Marie Nathalie na Mihanta. I Riambola Mitia kosa no handrindra sy handamina ny dinika sy ny velakevitra.

Ankoatra ny maha marolafy ny lohahevitra, sehatra samy hafa ihany koa no nikolo ireo mpanao velakevitra ireo. Ao ny mpanabe, ny mpikaroka, sns. Iraisana kosa ny maha mpanoratra ny rehetra. Anisan'ny dingana tratrarin'ny vondrona Koloiko sy hajaiko ny Teniko amin'ny fanatanterahana ny hetsika tahaka izao ny hisian'ny fifanakalozana eo amin'ireo mpisehatra manontolo ao anatin'ny soratra (mpanoratra, mpanonta boky, … mpamaky sy ny mpampiasa ny boky). Hitarika fihatsarana tsikelikely ho any amin'ny fivelaran'ny asasoratra sy ny momba azy izany avy eo.

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts