Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 07 Septambra 2017, pejy 4.
Taorian'ny hetsika Mpanoratry ny Taona 2016, hiroso amin'ny dingana manaraka indray ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT).
Kônferansa momba ny soratra 2017, hotanterahina ao amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia Antananarivo, ny tontolo andron'ny 28 Oktobra ho avy izao. Lohahevitra enina no hovelabelarina sy hifanakalozan-kevitra amin'izany. Tsy hiala lavitra amin'ny tontollon'ny soratra izy ireo.
Satria tsy vitan'olon-tokana ny fampandrosoana sy fampivelarana ny teny sy ny soratra, noho izany , izay te handray anjara amin'ny fitondrana lohahevitra iray, afaka mijery ny andinindininy ao amin'ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko vondrona ao anaty Facebook,
hoy ny tompon'andraikitra. Anisan'ny kendrena hanatrika kosa ny mpampianatra, mpianatra, mpikaroka, mpandala sy mpampiasa ny teny Malagasy, sns.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts