Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 07 Febroary 2018, pejy 4.
Anisan'ny iray amin'ireo manome vahana sy lanja ny hasin'ny soratra amin'ny alalan'ireo asa ataony ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT).
Efa nisy ireo tontosa, ao koa ireo hotohizana. Iray amin'izany ny fitiliana sy fampahafantarana izay ho Mpanoratry ny Taona. Araka ny fanapahan-kevitry ny mpikarakara, hovelarina lehibe kokoa ny sehatra manomboka amin'ity taona ity. Tsy amin'ny alalan'ny Facebook irery intsony no hampahafantarana ireo mpanoratra sy manan-talenta amin'ny soratra ny fisian'ny fifaninanana Mpanoratry ny Taona fa ezahina hipaka any amin'ireo sehatra sy vondrona na fikambanana samihafa. Hisy, noho izany, ny fanatonan'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ireny sehatra ireny. Nanao antso ho an'ny mpanoratra rehetra ihany koa ity vondrona ity mba hifandray amin'izy ireo.
Antony nampivelarana ny sehatry ny mpandray anjara, tahaka izao, ny fahatsapan'ny mpikarakara fa marobe ireo mpanoratra sy manan-talenta amin'ny soratra eto Madagasikara, saingy tsy hita izy ireny noho ny antony samy hafa.
Ankoatra ny Mpanoratry ny Taona, tohizana hatrany ihany koa ireo fanomezan-kasina ny teny sy ny soratra fanaon'ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko. Anisan'izany ireo karazam-pifaninanana mifandraika amin'ny fanamarihana vanim-potoana, toy ny Fetin'ny mpifankatia, hifaninanan'ireo tononkalom-pitiavana, sns.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts