Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 06 Martsa 2017, pejy 4.
Notontosaina, tetsy amin'ny Institution FJKM Ankadifotsy ny fizarana fankasitrahana ho an'ireo mendrika tamin'ny fifaninanana fanoratana tonokalom-pitiavana nampanaovin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT).
Nandrombaka ny laharana voalohany i Barry Sirjon, tamin'ny alalan'ilay tononkalony mitondra ny lohateny Fo tia.
Narahin'i Zara Ainga tamin'ny Mifankatia hatrany
ary laharana fahatelo i Toky Ny Aina Joseclaudio, nanoratra ny Soa fa nisys anao.
Izy telo mirahalahy ireo no nahazo ny fanomezana natolotry ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT), tamin'ny fifaninanana tonokalom-pitiavana notontosaina ny volana Febroary teo. Hetsika tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny fahafito taonan'ity vondrona anaty tambanjotra Facebook ity.
Nitondra ny velakevitra momba ny fampitiavana ny kolontsaina sy ny fampivelarana izany kosa i Riambola Mitia, filoha mpandrindra ny Faribolana Sandratra Antananarivo. Fotoana nilazany fa miainga amin'ny sehatra rehetra ny fampitiavana ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fampivelarana azy ireo (tokantrano, sekoly, ...). Mifarimbona ao anatin'izany ny tsirairay sy ny momba azy (aingam-panahy, fikarohana, sns).
Nandritra ity fahamarihana ny fahafito taonan'ny KHT ity ihany koa nampahafantarina ny momba ny Ako Miantefa sy ny asa sahaniny amin'ny fampivelarana ny kolontsaina malagasy amin'ny alalan'ny fampianarana mitendry valiha sy solfezy. Nasongadin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana fa varavarana misokatra ho an'ny kolontsaina malagasy ny fiaraha'ny fahaiza-mifehy ny zavakanto malagasy (valiha) sy ny lalà iraisam-pirenena momba ny mozika (solfezy).
Hevitra nitsimoka nandritra ity fotoana ity ny hisian'ny fiaraha-miasa eo amin'ny KHT sy ny Ako Miantefa ary ny Faribolana Sandratra ho fampandrosoana ny kolontsaina Malagasy!
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts