• KHT / /
  • Vaovao / /
  • Gazety Taratra, 05 Oktôbra 2018

Kônferansa Momba ny Soratra: fantatra ireo hitondra ny velakevitra.

Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 05 Oktobra 2018, pejy 9.

Tafiditra ao amin'ny andiany faharoa ilay hetsika lehibe fanaon'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT), nampitondraina ny lohateny Kônferansa momba ny soratra.

Fantatra ireo dimy mianadahy hanatanteraka ny famelabelaran-kevitra ny 10 Novambra izao. Andrianimerina Hobiana: Ny areti-mifindran'ny tononkalo vokatry ny firaisana ara-nofy ao anaty Facebook, i Na Hassi Fandinihana ny asa soratr'i Esther Nirina Simple voyelle. Fitarafana ny fifamatoran'ny aina sy ny reny, i Sitraka Feno Tanteraka: Ireo teknika sy vahaolana mahomby entina hiatrehana ny fialan'ain'ny teny Malagasy, i Misazo: Ny faningoran'ny tany sy ny tena amin'ny teny sy ny soratra mba hanajan'ny Manakasy ny mahaizy azy. Nasaina manokana i Riambola Mitia hamelabelatra ny lohahevitra: Ny Haiforona mampiavaka ny literatiora Malagasy ankehitriny.

Tahaka ny andiany voalohany, ao amin'ny Haitsiron'Iarivo eny Alarobia, no hanatanterahana ny KMS 2018. Hetsika hanasana ireo rehetra liana sy miasa ary mikirakira ny soratra sy ny tontolony. Anisan'izany ny mpianatra, mpikaroka, mpanoratra, sns. Miara-miasa sy anisan'ireo manohana ity hetsika ity ny Zoromanga.


Gazety Taratra 05-10-18

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts