Nosoratan'i Hary Razafindrakoto, gazety Taratra, 4 Martsa 2021, pejy 4.
Laharana voalohany i Hobiana.
Vita soa aman-tsara ny fitsarana sy ny fifidianana izay ho Mpanoratry ny Taona 2019.
Rehefa natambatra ny naoty rehetra nomen'ny mpitsara, tahaka izao ny isa farany azon'ireo mpifaninana: Hobiana: 228.5, Fanja Razah: 217, Voniary: 196.5. I AndrianimerinA Hobiana izany no nahazo ny laharana voalohany ary voafidy ho Mpanoratry ny Taona 2019,
araka ny fifaninanana nampanaovin'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT).
Henjana dia henjana vao tontosa ity fitsarana iray ity satria betsaka ny sakantsakana nolalovana hany ka naharitra herintaona vao vita. Ny KHT kosa anefa tsy maintsy mandroso amin'ny fampiroboroboana ny teny Malagasy,
hoy ny mpikarakara. Nambaran'izy ireo hatrany fa ho fantatra amin'ny fotoana manaraka ny fotoana hanolorana ny amboara.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts