Mpanoratry ny Taona 2018
Nosoratan'i Fredo Rakotoarisoa, gazety Ao Raha, 25 Janoary 2019, pejy 6.
Fantatra ny anaran'ireo mpanoratra voafantina hifaninana hahazo ny anaram-boninahitra "Mpanoratry ny Taona 2018."
Fantatra ny anaran'ireo mpanoratra voafantina hifaninana hahazo ny anaram-boninahitra "Mpanoratry ny Taona 2018." Andriambavilanitra roa izy ireo no hifampikatroka amin'izany, Ravorombato Ony Lantoarimamy sy Poète Rebelle. "Izahay mpikarakara ny fifaninanana ato amin'ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ihany no nifantina ireo mpanoratra ireo satria tsy nisy nanolotra anarana ireo fikambanana mpanoratra", hoy ny fanamarihana nataon'ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT), mpikarakara. Maromaro ihany ireo mpanoratra nofantenanay tamin'ity saingy rehefa nambara azy ireo ny maha ao anaty lisitra azy dia nitsoaka an-daharana daholo izy rehetra afatsy Poète Rebelle sy Ravorombato. Mbola tsy nanomboka akory ny fitsarana dia ry zareo izay voafantina ihany no nanivana ny tenany. I Poète Rebelle sy Ravorombato irery ihany no nazoto sy sahy hifaninana koa dia izy roavavy izany no hotsaraintsika, raha ny fanazavan'ny KHT hatrany.
Tsiahivina fa araka ny efa voafaritra ao anatin'ny fitsipika mifehy ny fifaninanana dia mahazo mifidy koa ny mpankafy an'ireo mpanoratra. Ny vokatry ny fifidianana ataon'ireo mpankafy dia atao "bonus" amin'ny naoty omen'ny mpitsara ireo mpifaninana. Marihina fa ny mpitsara irery ihany no tompon'ny teny farany amin'izay mandresy sy omena ny anaram-boninahitra. Mazava ho azy fa izay mahazo isa betsaka indrindra no mandresy.
Ravorombato Ony Lantoarimamy na Ravorombato dia Mpanoratra, Mpampianatra, Mpikabary. Filohan'ny Havàtsa-UPEM Sampana Arivonimamo. Manana ny mari-boninahitra Chevalier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture. Maro ireo hetsika nampiavaka azy tamin'iny taona nivalona iny. Azony ohatra ny loka faharoa tamin'ny fifaninanana tantara nokarakarain'ny Radio Fahazavana "Lazaiko anao ny fahatsarany", izay nahazoana mari-pankasitrahana sy amboara ary boky maro isan-karazany.
Poète Rebelle, antsoin’ny besinimaro hoe Rebelle dia slameuse, mpiangaly slam-poezia (poezia amin’ny endrika vaovao). Mpanolotra ny fandaharana "Akory Now" koa izy, fandaharana ao amin'ny fesiboky izay miendrika kabary-slam. Betsaka ny mari-pankasitrahana azony tamin'ny 2018. Tompon-dakan'Antananarivo tamin'ny fifaninana rezionaly nisafidiana ireo solontenan'Antananarivo amin'ny slam nasionaly izy. Nibata ny fandresena tamin'ny Slam nasionaly andiany fahasivy, sokajy Slam collectif ihany koa izy niaraka tamin'i Conan sy Andriamiseta.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts