Famaritana

Momba Anay

Inona moa ny STM?

Ny Savaivon'ny Teny Malagasy (STM) dia kônferansa nasiônaly natao ihaonan'ireo mpanoratra, mpikaroka, mpandraharaha, mpitia sy mpandala, ary mpampiasa ny asa soratra amin'ny teny Malagasy. Tanjona ny hahafahan'ny rehetra mifanakalo hevitra, mifampizara traikefa, milaza vaovao, ary mifanome sosokevitra hanatsarana ny tontolon'ny teny Malagasy amin'ny ankapobeny.

Mizara roa ny hetsika: velakevitra sy fampianarana fohy.

Nahoana no savaivo?

Savaivo satria oharina amin'ny faribolana na bola ny tontolon'ny teny Malagasy ka mamakivaky eo ampovoany toy ny savaivo ny STM.

Savaivo satria mila misavasava sy manavatsava eo amin'ny ivon'ny teny Malagasy isika mba hahafahana manatsara azy.

STM 2023

Hotontosaina ny 8 Nôvambra ao amin'ny Ivon-toeran'ny Kolontsaina Malagasy, Antsahavola, Antananarivo, ny andiany voalohany (STM 2023) amin'ny Savaivon'ny Teny Malagasy. Ny Akademia Mainty Kely (AMK) no mikarakara azy.

Image
Lohahevitra

Lohahevitra mifandraika amin'ireto ambany ireto no velabelarina na itondrana fampianarana fohy mandritra ny STM (santionany ihany ireto):

  • teny Malagasy sy ny fanatontoloana,
  • teny Malagasy sy ny teknôlôjia vaovao toy ny Aterineto, IA, Chat GPT, sns.,
  • teknika sy torohevitra fomba fanoratra sombintantara, tononkalo, tantara foronina, tantara ho an'ny ankizy, angano, asa soratra siantifika, asa soratra an-gazety, blaogy, sns.,
  • tsipelina sy ireo voambolana malagasy vaovao,
  • fandinihana ny asa soratr'ireo mpanoratra malagasy malaza,
  • tontolon'ny fanotana boky,
  • tontolon'ny self-publishing, ebook,
  • sns.

Ny Ekipa

Image

Na Hassi

Mpandrindra

Mpanao slam. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2018 sy KMS 2022. Izy no mandrindra ny STM 2023.

Image

Sitraka Feno Tanteraka

Mpikarakara sy mpitsara lahatsoratra

Pôeta. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2018. Mpikarakara sady mpitsara lahatsoratra tamin'ny KMS 2019, KMS 2022, STM 2022, ary STM 2023.

Image

Mainy Kely

Mpikarakara sy mpitsara lahatsoratra

Infôrmatisianina. Izy no nanorina AMK. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, KMS 2022, STM 2022, ary STM 2023.

Image

Hary Razafy

Mpikarakara sy mpitsara lahatsoratra

Mpanao gazety. Mpikambana mavitrika efa ela tao amin'ny AMK. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, KMS 2022, ary STM 2023.

Mpanohana sy Mpiara-miasa

Ireto daholo ny mpanohana sy mpiara-miasa amin'ny AMK amin'ny fanatontosana ny STM 2022.

  •   - Zoromanga
  •   - Ivon-toeran'ny Kolontsaina Malagasy

Ankoatra ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra tsy mitonona anarana manohana sy miara-miasa aminay.

Raha maniry ny hanohana na hiara-hiasa aminay ianao dia tsindrio ilay bokotra ery ambany.

Zoromanga
IKM