Hapetraka eto ambany eto ny anaran'ireo mpanao velakevitra sy fampianarana fohy mandritra STM 2023.
Ny handrindra ny STM amin'ity andiany faharoa ity dia Na Hassi.
Na Hassi dia pôeta mpanao slam nanomboka nanoratra tamin'ny taona 2003. Namoaka amboara-tononkalo noraiketina am-peo mitondra ny lohateny hoe Prozodik, l'hystérique et ses masques tamin'ny 2016. Nandalina ny teny Frantsay sy literatiora amin'ny teny Frantsay tao amin'ny FLSH Ankatso. Nanao fikarohana momba an'i Esther Nirina niainga tamin'ny amboaran-tononkalo Simple voyelle tamin'ny taona fahefatra (Master I).
Mandritra ny iray andro no anaovana ny kônferansa. Manomboka amin'ny 7:15 maraina ny fotoana ary mifarana amin'ny 5:00 hariva.
Hapetraka eto ambany eto ny antsipirian'ny fandaharam-potoana.
Ireto daholo ny mpanohana sy mpiara-miasa amin'ny AMK amin'ny fanatontosana ny STM 2023.
Ankoatr'ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra tsy mitonona anarana manohana sy miara-miasa aminay.
Raha maniry ny hanohana na hiara-hiasa aminay ianao dia tsindrio ilay bokotra ery ambany.