Misokatra izao ny fandraisana lohahevitra ho an'ireo maniry hanao velakevitra sy fampianarana fohy amin'ny STM 2022. Azonao jerena ao amin'ny pejy natokana ho amin'izany ireo fitsipika sy daty tokony ho tadidiana rehetra.
Daty farany fandefasana lohahevitra: 05 Jona.
Ny handrindra ny STM amin'ity andiany voalohany ity dia Ravorombato Ony Lantoarimamy.
Mandritra ny iray andro no anaovana ny kônferansa. Manomboka amin'ny 7:15 maraina ny fotoana ary mifarana amin'ny 5:00 hariva.
Amin'ny 29 Oktôbra no avoaka eto ambany eto ny antsipirian'ny fandaharam-potoana.
Ireto daholo ny mpanohana sy mpiara-miasa amin'ny KHT amin'ny fanatontosana ny STM 2022. Ankoatr'ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra sy fikambanana izay tsy mitonona anarana manohana sy miara-miasa aminay.
Raha maniry ny hanohana na hiara-hiasa aminay ianao dia tsindrio ilay bokotra ery ambany.