Iza Moa Izahay?

Vondrona iray manao ezaka manokana hamerina amin'ny hasiny ny teny Malagasy ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Niforona tamin’ny 28 Febroary 2010 izy. Anarana hafa no nentiny tany am-boalohany saingy novaina ilay anarana taty aoriana noho ny antony maro samihafa. Tao anatin’ny tambazotra sôsialy Facebook no niforonany ary hatramin'izao dia mbola ao ihany aloha no tena ifaneraseran'ny mpikambana sy ifampitana vaovao.


Hetsika natao


Ireto avy ny santionany amin'ireo hetsika nisongadina nataon'ny KHT nandritra ny fotoana nijoroany:


  •  - Fifaninanana isan-karazany toy ny fifaninanana tononkalo, sombintantara, ary fitafy nentin-drazana,
  •  - Kônferansa momba ny soratra andiany voalohany faharoa (KMS 2017 sy KMS 2018),
  •  - Fifidianana mpanoratry ny taona (MNT 2016, MNT 2017, ary MNT 2018).

Mpiara-miasa sy Mpanohana ny Vondrona


Ireto avy ny anaran'ireo fikambanana sy olon-tsotra miara-miasa sy manohana ny KHT amin'ny ezaka izay ataony:


  •  - Zoromanga,
  •  - UNESCO,
  •  - Restaurant Haitsiron'Iarivo,
  •  - Librairie Antso FJKM,
  •  - Institution FJKM Rainandriamampandry,
  •  - Ranjasoa Publishing,
  •  - Faribolana Sandratra,
  •  - Western Union,
  •  - Gazety Taratra,
  •  - Radio Nationaly Malagasy,
  •  - Televiziona Malagasy,
  •  - Ako Miantefa,
  •  - Ireo olon-tsora maro tsy mitonona anarana.

Mahafinaritra ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanohana rehetra ireo ary araraotina etoana ny fisaorana mitafotafo azy rehetra.


Fifandraisana Aminay


Raha maniry hifandray aminay dia azonao ateo ny mandefa hafatra ao amin'ny pejy fifandraisana na tsidiho ny pejy Facebook-n'ny KHT.