Teny Maivana

Ireto teny eto ambany ireto dia sokajiana ho isan'ny teny maivana.

Mba hampisy lanja kokoa ny asa soratrao dia ialao ny fampiasana ireto teny eto ambany ireto. Mitadiava foana voambolana hafa anoloana azy. Ampiasao ny rakibolana hanampy anao amin'izany.

Eo ambanin'ireo ohatra ny soso-kevitra anoloana ireo teny maivana.

1 - Tsara

Ohatra

Tsara izany sakafo izany.

 => Mafilotra izany sakafo izany.

 => Matsiro izany sakafo izany.

Tsara ity boky ity.

 => Mahaliana ity boky ity.

 => Mampitombo fahalalana ny mamaky ity boky ity.

2 - Zavatra

Ohatra

Handeha hividy zavatra any an-tsena aho.

 => Handeha hividy laoka any an-tsena aho.

 => Handeha hividy kojakoja any an-tsena aho.

Misy zavatra ataoko ato an-trano.

 => Misy asa ataoko ato an-trano.

 => Mampiri-trano aho.

 => Mipasoka lamba aho ato an-trano.

3 - Be

Ohatra

Malalaka be ny tokotany.

 => Midadasika ny tokotany.

Avo be ilay trano.

 => Mijoalajoala ilay trano.

Mandeha be ny rano ao amin'ny dosy.

 => Misasasasa ny rano ao amin'ny dosy.

4 - Tsy

Ohatra

Tsy marina ny voalazanao.

 => Diso ny voalazanao.

Tsy milamina ny trano ato izany.

 => Mikorontana ny trano ato izany.

Misy tsy mety ny akanjonao.

 => Mivilana ny akanjonao.

 => Miforitra ny akanjonao.

 => Mifangarika ny lokon'ny akanjonao.

5 - Fa (amin'ny teny fanolorana fehezanteny).

Ny teny rehetra eo alohan'ny fa dia azo esorina daholo. Noho izany, tonga dia lazao fotsiny izay tianao holazaina. Aza asiana fa.

Ohatra

Amin'ireto fehezanteny ireto dia azo esorina daholo ny teny rehetra eo alohan'ny fa (esorina miaraka aminy koa ny fa):

Voalazan'ireo manam-pahaizana fa hisy eklipsa any Amerika amin'ny taona 2017.

 => Hisy eklipsa any Amerika amin'ny taona 2017.

Iarahantsika mahalala fa natao teto Madagasikara ny fivoriam-ben'ny frankôfônia tamin'ny 2016.

 => Natao teto Madagasikara ny fivoriam-ben'ny frankôfônia tamin'ny 2016.

Asa ianareo raha mitovy hevitra amiko fa manahirana mihitsy ny miresaka aminy.

 => Manahirana mihitsy ny miresaka aminy.

6 - Rahampitso Alahady, rahampitso Asabotsy, sns.

Iray ihany ny rahampitso, ary fantatry ny rehetra hoe inona ny andro rahampitso. Noho izany, esory tao anatin'ilay fehezanteny ny Alahady na Asabotsy, sns.

Ohatra

Hamangy anao aho rahampitso Alahady.

 => Hamangy anao aho rahampitso.

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts