Ireto ambany ireto ny fitsipika arahina rehefa mampiasa ny teboka roa [ : ].
1 - Rehefa misy fanazavana na fitanisana tiana hapetraka eo amin'ny fehezanteny iray dia asiana teboka roa eo alohan'ilay fanazavana na fitanisana.
- Izao ihany sisa no azontsika atao: Mandeha any amin'ny manam-pahefana dia mametraka fitoriana.
- Ireto ny entana voavidiko tany: tantely, mofo, dibera.
- Isaky ny mivoaka aho dia miteny foana i Neny hoe: Tandremo sao mody alina anaka.
- Tsisy elanelana eo alohan'ny teboka roa. Eo aoriany no misy.
- Raha fehezanteny mahaleo tena na teny ao anaty farango sosona ilay fanazavana ao aorian'ny teboka roa dia manomboka amin'ny sora-baventy.
- Raha toa kosa ka ampahana fehezanteny ilay fanazavana dia manomboka amin'ny sora-madinika. Diniho ny fipetraky ny fanazavana amin'ireo ohatra eo ambony ireo.
2 - Rehefa manolotra andinin-tsoratra masina avy ao amin'ny Baiboly dia sarahana teboka roa ny toko sy ny andininy.
- Matio 19:28.
- Marka 9:23.
- Nehemia 8:2-6.
3 - ;Rehefa manoratra lera dia sarahana teboka roa ny ora sy ny minitra.
- 7:59 maraina.
- 9:00 alina.
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny KHT ianao dia mitsidiha ny pejy Facebook an'ny KHT.
© 2019 KHT | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts