Fifampiresahana

Toy izao ny fitsipika arahina rehefa manoratra fifampiresahana any anaty tantara.

1 - Samihafa ny fomba fanehoana ny fifampiresahana amin'ny tantara foronina, sombintantara, tantara amin'ny onjam-peo, ary tantara lalaovina an-dapihazo. Ireto ohatra eto ambany ireto no mampiseho ny mahasamihafa azy ireo.

Tantara amin'ny onjam-peo na an-dapihazo

 - Marary voalohany: Tonga soa e. Ianao indray izany no ho namako ato elaela. Tsara be anie ity toerana ity e!

 - Marary faharoa: Izaho aloha dia tsy haharitra ela ato fa aoka hazava. Jereo, rindrin-kazo aza no manasaraka antsika. Toa gadra aho ato. Fa misaotra anao ihany aloha manentana ahy hitia ny ato.

Sombintantara na tantara foronina

 - Tonga soa e, hoy ilay marary voalohany. Ianao indray izany no ho namako ato elaela. Tsara be anie ity toerana ity e!

 - Izaho aloha dia tsy haharitra ela ato fa aoka hazava, namaly ilay marary faharoa. Jereo, rindrin-kazo aza no manasaraka antsika. Toa gadra aho ato. Fa misaotra anao ihany aloha manentana ahy hitia ny ato.

Fanamarihana

Eo amin'ny sombintantara sy tantara foronina dia amin'ny fanombohan'ny fifampiresehana ihany no mila apetraka ny hoy Rakoto sy ny hoy Rasoa sns. Tonga dia tohizana fotsiny ny fifampiresehana rehefa avy eo satria efa mazava ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay.

2 - Tokony tantaraina koa ny fihetseham-pon'ilay olona miresaka. Rehefa manomboka ny fifampiresahana no anaovana io fitantarana io.

Ohatra

Tonga soa e, hoy ilay marary voalohany tamin'ny feo nalefaka, sady nitsiky izy. Ianao indray izany no ho namako ato elaela. Tsara be anie ity toerana ity e!

3 - Rehefa manoratra sombintantara na tantara foronina dia tokony fariparitana foana koa ny endriky ny olona tsirairay, dia ezahina lazaina ny toetrany. Amin'ny fotoana voalohany ipoirany eo amin'ilay tantara no tokony anaovana izany.

Ohatra

Efa niandry anay tao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny ny maman'i Nivo. Somary fohifohy izy, fotsy fihodirana, ary nanao akanjo fohy somary teritery. Taitra be aho nahita azy satria noheveriko hoe rahavavin'i Nivo ilay ramatoa. Mbola tanora sady manja izy. Eny, toa manja noho i Nivo aza.

Manao ahoana ianao ry tovolahy, hoy izy nanolotra ny tanany, ny fihetsiny niangolangola ery.

4 - Tohin'ilay torohevitra eo ambony io dia ezahina hatrany koa izay hahafeno ny famaritana ny toerana itrangan'ny fifampiresahana mba hampisy aina kokoa ilay tantara. Izany hoe atao foana izay hahatonga ny mpamaky hahatsiaro tena ho toy ny miaina mivantana ilay tantara.

Ohatra

Ilay efitrano nandraisany anay dia toy ireny efitrano fandraisam-bahiny raitra hita ao anaty boky ireny mihitsy. Vita tamin'ny hoditra mainty ireo seza, ny rindrina niloko fotsy nangatsakatsaka, ny fitaratra teo amin'ny varavarakely nadio nanganohano. Ambonin'izany, nisy fofona ranomanitra lafo vidy heno nanerana ny efitra.

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts