Ireto ambany ireto ny fitsipika arahina rehefa mampiasa farango sosona [ " " ].
1 - Rehefa mitatitra tenin'olona, na eritreritr'olona, na soratr'olona dia atao anaty farango sosona.
- "Lasa handeha hianatra aho ry Neny a," hoy Naivo.
2 - Azo atao koa ny mampiasa sora-mandry rehefa mitatitra eritreritra. Amin'izay fotoana izay kosa dia esorina ny farango sosona.
- Ataoko ahoana ary izao ny famoha ity trano ity, hoy i Vony nieritreritra sady niherikerika sao mba nisy olona azony nantsoina hanampy azy.
na
- "Ataoko ahoana ary izao ny famoha ity trano ity," hoy i Vony nieritreritra sady niherikerika sao mba nisy olona azony nantsoina hanampy azy.
Raha sora-mandry no ampiasaina hatrany am-boalohany rehefa mitatitra eritreritra ao anaty asa soratra iray dia atao sora-mandry daholo ny eritreritra rehetra ao anatin'ilay asa soratra.
3 - Ny teboka sy ny faingo, dia miditra ao anaty farango sosona.
- "Tiako ianao," nibitsibisika teo amin'ny sofiko ilay malalako sady nofihininy mafy aho. "Tiako tena tiako."
- Mifono anatra ho antsika rehetra ilay tonokalo hoe "Rajakom-bazaha."
4 - Ny momba ireo mari-piatoana hafa kosa, izany hoe ny baraingo, tsoraka, teboka amam-paingo, teboka roa dia manaraka ny lôjikan'ny fehezanteny ny fampiasana azy. Raha miaraka amin'ilay teny ao amin'ny farango sosona izy dia atao ao anatiny, raha tsia kosa dia atao any ivelany. Diniho ireto ohatra eto ambany ireto.
- Hainao ve ilay tononkalon'i Rado hoe "Tia"?
- Nikofokofoka i Bebe teo am-pandriana sady niantsoantso mafy, "Nankaiza ny solomasoko teto?"
5 - Ny lohatenina tononkalo, sombintantara, lahatsoratra an-gazety, lahatsoratra fanadihadiana, ary lohatenin'ireo fizarazarana amin'ny tantara mifampitohitohy amin'ny fahitalavitra dia atao anaty farango sosona.
- Toy izao ny lohateny lehibe tao amin'ilay gazety androany: "Nisondrotra indray ny vidin'ny solika."
- Mampalahelo ny fiafaran'ilay sombintantara "Fiainan'i Neny."
6 - Rehefa mitatitra kabary na teny lavabe nataon'olona dia any amin'ny faran'ilay teny mihitsy izay vao akatona ny farango sosona. Raha toa ka mila miova andalana eny ampovoan'ilay teny dia averina sokafana foana ny farango sosona isaky ny andalana vaovao.
"Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,
"Tonga ity ny fotoana ifampiarahabantsika tratry ny Asaramanitra. Ianareo vahoaka Malagasy tsy vaky volo no itodiako manokana amin’izany vanin'andro lehibe izany.
"Soa toavina malagasy ny firarian-tsoa sy fangatahana ny fitahian’Andriamanitra noho ny nahatratrarantsika ny taona vaovao 2016 sy ny isaorana Azy noho ny nahatafitana salama sy tomady ny taona teo aloha, koa iampitana amin’ny taona vaovao … ."
Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.
© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts