Fanoratana Isa

Ireto ambany ireto ny fitsipika arahina rehefa manoratra isa.

1 - Ny isa latsaky ny folo dia soratana manontolo.

Ohatra

Iray, roa, … ,sivy.

2 - Ny isa mihoatra ny folo dia soratana tarehi-marika.

Ohatra

10, 11, 15, 56, 2981, 70, sns.

3 - Raha eo amin'ny fanombohan'ny fehezanteny no misy ny isa dia soratana manontolo na dia mihoatra ny folo aza.

Ohatra

 - Roanjato sy arivo izao ny isan'ny mpikambana.

 - Efa feno 1200 izao ny isan'ny mpikambana.

4 - Ny datin'andro dia soratana tarehi-marika foana na dia latsaky ny folo aza, ary na manomboka fehezanteny aza.

Ohatra

7 Febroary 2009.

5 - Raha taona fotsiny no eo amin'ilay daty ka eo amin'ny fiandohan'ny fehezanteny no misy azy dia soratana manontolo ilay taona. Raha toa kosa ka eny am-povoan'ny fehezanteny no misy azy dia soratana tarehi-marika.

Ohatra

 - Folo sy roa arivo no taona niforonan'ny vondrona KHT.

 - Ny taona 2010 no niforona ny vondrona KHT.

6 - Ny isa miaraka amin'ireo venty isan-karazany dia soratana tarehi-marika foana na latsaky ny folo aza.

Ohatra

2 mn, 11 m, 5 kg, 56 pejy, sns.

7 - Ny isa ampahany, isa misy faingo, isan-jato dia soratana tarehi-marika.

Ohatra

1/2 3/4 0,5 12,9 5/100 5 % sns.

8 - Rehefa manoratra tantara dia manome endrika kokoa ilay asa soratra raha soratana manontolo ny teny hoe isan-jato.

Ohatra

Nitombo 50 isan-jato ny haben'ilay akoho.

9 - Ireo isa azon'ny mpilalao mandritra ny lalao ara-panatanjahan-tena dia soratana tarehi-marika daholo na latsaky ny folo aza.

Ohatra

Nandresy 2 sy 0 ny ekipa avy eny Atsimondrano.

10 - Ny isa eo amin'ny adiresy dia soratana tarehi-marika foana na latsaky ny folo aza.

Ohatra

Ao amin'ny Lot K H 4 ter Ambodiakondro izahay no mipetraka.

11 - Ny mari-bola dia soratana tarehi-marika foana na latsaky no folo aza, ary na manomboka fehezanteny aza.

Ohatra

 - Mitentina 2 000 000 Ar. ny vidin'ilay gitara (na azo soratana koa hoe 2 tapitrisa Ar.).

 - 5000 Ar. ny vidim-pidirana.

 - Banga 5 Ar. ny volako.

Fanamarihana

 - Ny Malagasy rehefa manonona mari-bola folo no midina dia tononina aloha ny Ariary izay vao ilay mari-bola. Izany hoe ny 1 Ar., 2 Ar., 3 Ar., … ,10 Ar. dia tononina hoe ariary, ariary roa, ariary telo, … , ariary folo.

 - Ny 1 Ar. dia tononina fotsiny hoe ariary.

12 - Ny elanelana dia soratana tarehi-marika foana na misy latsaky no folo aza.

Ohatra

 - Eo anelanelan'ny 5 sy 15 taona ireo mpandray anjara.

 - Samia mitondra vary 10 ka hatramin'ny 15 kg isan'olona ianareo izay hitsangatsangana.

13 - Ny lera dia azo soratana tarehi-marika sady koa azo soratana manontolo. Saingy raha tarehi-marika no ampiasaina dia atao tarehi-marika daholo ny ora sy ny minitra na dia misy latsaky ny folo aza.

Ohatra

 - Amin'ny 9:20 mn izao.

 - Amin'ny sivy sy fahatelony izao.

14 - Raha misy isa maromaro mifampitohitohy dia soratana tarehi-marika daholo izy rehetra na dia latsaky ny folo aza ny sasany. Miseho io tranga io rehefa mitanisa isa. Raha toa kosa ka latsaky ny folo daholo izy rehetra dia soratana manontolo daholo.

Ohatra

 - Ireto daholo ny naoty azon'ny mpianatra: 3, 5, 8, 15, 17.

 - Dimy, efatra, roa, telo, enina no isan'ireo valala voasambotr'ireo ankizy tsirairay.

Hahazo Vaovao

Raha te hahazo vaovao tsy tapaka mikasika ireo hetsika karakarain'ny AMK ianao dia mitsidiho ny pejy Facebook an'ny AMK.

AMK

© 2023 AMK | Fifandraisana | Momba Anay | Design by W3Layouts