Famaritana

Momba Anay

Inona moa ny KMS?

Ny Kônferansa Momba ny Soratra (KMS) dia sehatra iray natao ihaonan'ireo mpanoratra, mpikaroka, mpandraharaha, mpitia sy mpandala, ary mpampiasa ny asa soratra amin'ny teny Malagasy. Tanjona ny hahafahan'ny rehetra mifanakalo hevitra, mifampizara traikefa, milaza vaovao, ary mifanome sosokevitra hanatsarana ny tontolon'ny asa soratra sy ny fanoratana amin'ny ankapobeny.

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Tranombokim-pirenena sy AMK dia tontosaina isaky ny Alarobia voalohany amin'ny volana ao amin'ny Tranombokim-pirenena, Antananarivo, ny andiany fahefatra (KMS 2022) amin'ny Kônferansa Momba ny Soratra.

Image
Lohahevitra

Lohahevitra mifandraika amin'ireto ambany ireto no velabelarina sy ifanakalozan-kevitra mandritra ny kônferansa (santionany ihany ireto):

  • asa soratra malagasy sy ny fanatontoloana,
  • asa soratra sy ny teknôlôjia vaovao toy ny Aterineto, Facebook, Wordpress, sns.,
  • teknika sy torohevitra fomba fanoratra sombintantara, tononkalo, tantara foronina, tantara ho an'ny ankizy, angano, asa soratra siantifika, asa soratra an-gazety, blaogy, sns.,
  • tsipelina sy ireo voambolana malagasy vaovao,
  • fandinihana ny asa soratr'ireo mpanoratra malagasy malaza,
  • asa soratra sy ny fanotana boky,
  • tontolon'ny self-publishing, ebook,
  • sns.

Ny Ekipa

Image

AndrianimerinA Hobiana

Mpikarakara

Pôeta. Izy no nandrindra ny KMS 2018. Anisan'ny mpikarakara tamin'ny KMS 2019, ary mbola mpikarakara amin'ny KMS 2022.

Image

Ravorombato Ony Lantoarimamy

Mpikarakara

Mpanoratra tantara fihaino. Voafidy ho mpanoratra malagasy mendrika indrindra tamin'ny taona 2019. Anisan'ireo mpikarakara ny KMS 2022.

Image

Sitraka Feno Tanteraka

Mpikarakara

Pôeta. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2018. Mpitsara lahatsoratra sady mpikarakara tamin'ny KMS 2019, ary mbola mpikarakara amin'ny KMS 2022.

Image

Hary Razafy

Mpikarakara

Mpanao gazety. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2017. Mpikambana efa ela tao amin'ny AMK. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, ary KMS 2022.

Image

Mainy Kely

Mpikarakara

Infôrmatisianina. Izy no nanorina AMK. Izy koa no tompon-kevitra tamin'ny KMS. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, ary mbola mpikarakara amin'ny KMS 2022.

Image

Benja Ratsimba

Mpikarakara

Mpikabary. Mpikambana mavitrika efa ela tao amin'ny AMK. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, ary mbola mpikarakara amin'ny KMS 2022.

Mpanohana sy Mpiara-miasa

Ireto ambany ireto daholo ny mpanohana sy mpiara-miasa amin'ny AMK amin'ny fanatontosana ny KMS 2021. Ankoatr'ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra sy fikambanana izay tsy mitonona anarana manohana sy miara-miasa aminay.

Raha maniry ny hanohana na hiara-hiasa aminay ianao dia tsindrio ilay bokotra ery ambany.

Image
Image