Zavakanto vita amin'ny teny ny poezia. Lasa manana anjara toerana goavana ny Facebook izay hahafahan'ny rehetra mamoaka sy mamaky asa soratra, tsy mila manao fandaniam-bola manao ahoana akory. Koa ny aretin'ny tononkalo
tsy nivoaka ny tranon'izay nanoratra azy tamin'ny andro fahiny, dia lasa manenika sy mifindra amin'izay rehetra mifankahazo teny ka manao fifandraisana ara-nofy ao amin'ny Facebook ankehitriny. Hovoaboasana ato amin'ity velakevitra ity ny fiheverana nolovain-jafy ny maha poezia ny poezia
sy ny fivaonana fahita ankehitriny ary mety ho vokany eo amin'ny fivoaran'ny tononkalo.
Ny asa soratr'i Esther Nirina, Simple voyelle, dia manasongadina ny hasarobidin'ny aina sy ny Fisiana. Anisan'ny tantarainy ao ny fifamatorana amin'ny reny kitapo nifonosana. Eto amin'ity velakevitra ity dia ny fiforonan'aina sy famelomana no tena tiana havoitra, tarafina amin'ny endrika maro avy ao amin'ny Simple voyelle. Fomba fijery no zaraina, ary tsy tokana izy io satria samy manana ny maso hoentina hitarafana ny asa soratra ny tsirairay. Nanampy tamin'izay fijery izay ny boky Structures anthropologiques de l'imaginaire nosoratan'i Gilbert Durand sy L'eau et les rêves an'i Gaston Bachelard.
Na dia tenindreny sy ibeazana eto Madagasikara aza ny teny malagasy dia tsapa ho mihen-danja hatrany ny heriny, ambavahaona tanteraka ny ainy, ary mitotongana ny fitiavan'ny Malagasy azy. Hita taratra izany eny amin'ny sokajin'olona samihafa toy ny mpitondra fanjakana, mpandraharaha, hatramin'ny mpiangaly zava-kanto mihitsy aza; mibaribary eny amin'ny sehatra maro toy ny sekoly, biraom-panjakana, anaty haino aman-jery, an-gazety, an-dalambe, hatrany an-tokantrano koa izany. Mila tsaboina noho izany ny teny malagasy satria marary sy efa mandamaka am-pandriana. Izany indrindra no nampitsiry ny hevitra hitady ireo teknika mahomby ho entina hitsaboana sy hameloman'aina indray ny teny malagasy.
Holazalazaina anareo amin'ity famelabelarana ity hoe inona marina moa ny zava-mahadomelin'ny poeta? Dia inona koa ny fanatanjahan-teny?
Ny slam-pôezia dia raisina koa ho pôezia moderina sy pôezian'ny lalana. Sehatra malalaka ifampizaràn'ny mpanoratra sy mpandahanteny manan-kafatra hampitaina izy. Afaka miditra sy mivelatra ao anatin'ny tontolon'ny slam-pôezia avokoa ny olon-drehetra. Hanampiana sy hitarihan-dalana ireo izay maniry ny hivoatra eo amin'ny sehatry ny slam-pôezia ary dia hatolotra ao anatin'ity famelabelarana ity ireo torohevitra sy teknika tsotra indrindra fanoratana slam-pôezia.
Niroborobo fatratra ny tantara fihaino na ny tantara an'onjampeo nanomboka ny taona 2000. Na dia tsy misy fitsipika mazava aza ny fandrafetana azy tany am-boalohany dia tsy azo lavina kosa fa mitahiry ny teny malagasy ny tantara fihaino. Talenta mivoitra izy io fa tsy tonga ho azy, noho izany azo hamafisina amin'ny fianarana. Hoezahina hovoaboasana ao amin'ity famelabelarana ity ny famaritana ny tantara fihaino sy ny tantarany, ny olana eo amin'ny mpanoratra ary ny teknika hahafahana manoratra sy manasongadina ny tantara fihaino.
Hohadihadiana mandritra ity famelabelarana ity ireo olana maro samihafa hita eo amin'ny tontolon'ny kabary sy ny sosokevitra entina hamahana ireo olana ireo.