Ireto ambany ireto ny anaran'ireo mpanao velakevitra amin'ny KMS 2022. Ianareo izay maniry handray anjara amin'ny velakevitra dia alefaso aty aminay ny lohahevitra mba handaminana ny fandaharam-potoana. Azonao jerena ao amin'ny pejy natokana ho amin'izany ireo fitsipika sy daty tokony ho tadidiana mikasika ny kônferansa.
Hobiana dia pôeta sy mpanoratra sady mpitantara angano. Filoham-boninahitry ny Havatsa-UPEM Arivonimamo izy. Manana ny mari-boninahitra Officier de l'ordre des arts, des lettres et de la culture (2012) sy Commandeur de l'ordre des arts, des lettres et de la culture (2017). Namoaka ny amboaran-tononkalo Adolantsento (2011) sy ny amboaran-tsombintantara Rom-padinkena (2019). Voafidy ho Mpanoratry ny Taona tamin'ny 2019.
LohahevitraNa Hassi dia pôeta mpanao slam nanomboka nanoratra tamin'ny taona 2003. Namoaka amboara-tononkalo noraiketina am-peo mitondra ny lohateny hoe Prozodik, l'hystérique et ses masques tamin'ny 2016. Nandalina ny teny Frantsay sy literatiora amin'ny teny Frantsay tao amin'ny FLSH Ankatso. Nanao fikarohana momba an'i Esther Nirina niainga tamin'ny amboaran-tononkalo Simple voyelle tamin'ny taona fahefatra (Master I).
LohahevitraMpanoratra tononkalo sy sombintantara nanomboka ny taona 2016. Nanorina sy mitantana pejy Facebook maro anisan'ireny Ahoana no fanoratra?, Tononkalontsika. Nikarakara nampiaina ny seho an-tsehatra Orimbato ny fitia niarahana tamina mpanoratra dimy hafa tao amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely (Novembra 2017). Tompon-tsehatra tamin'ny famelomana ny seho milohateny hoe Tati-bilana tao amin'ny efitrano malalaky ny Ivokolo Cemdlac Analakely (Mey 2018).
LohahevitraRiambola Mitia dia Pôeta, Mpanoratra tononkalo sy sombintantara. Miezaka manandratra ny Haivolana sy ny Haisoratra ary ny teny Malagasy. Nandalina momba ny zavaboahary. Efa mpandrindra ny Faribolana Sandratra sampana Antananarivo. Efa namoaka boky maro dia maro.
LohahevitraPoety Rebely na Rasoanivo Faralalaina Elia Olsenie dia mpanao slam-pôezia. Zava-misy mandondona sy teny mavesabesatra no entiny mamoaka ny aingam-panahiny. Tompon-dakan'Antananarivo izy tamin'ny fifaninanana reziôonaly nisafidianana ireo solontenan'Antananarivo amin'ny slam nasiônaly (03 Nôvambra 2018), ary tompon-daka slam nasiônaly andiany fahasivy, sokajy Slam Collectif niaraka tamin'i Conan sy Andriamisetra (08 Desambra 2018).
LohahevitraRavorombato na Ravorombato Ony Lantoarimamy dia Teraka tamin'ny 18 Oktôbra 1975 tao Befelatanana, Antananarivo. Mpanoratra, Mpampianatra, ary Mpikabary izy. Filohan'ny Havatsa-UPEM sampana Arivonimamo izy ary manana ny mari-boninahitra Chevalier de l'ordre des arts, des lettres et de la culture. Ny tantara an'onjampeo no tena manavanana azy. Izy no nahazo ny anaram-boninahitra Mpanoratry ny Taona tamin'ny 2018.
LohahevitraIsaky ny Alarobia voalohany amin'ny volana no anaovana ny kônferansa. Ny fotoana rehetra dia manomboka amin'ny 2:30 hariva ary mifarana amin'ny 5 ora hariva. Apetraka eto isam-bolana ny fandaharam-potoana vaovao.
Ireto daholo ny mpanohana sy mpiara-miasa amin'ny KHT amin'ny fanatontosana ny KMS 2022. Ankoatr'ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra sy fikambanana izay tsy mitonona anarana manohana sy miara-miasa aminay.
Raha maniry ny hanohana na hiara-hiasa aminay ianao dia tsindrio ilay bokotra ery ambany.