Isaorana ny Tranombokim-pirenena noho ny nanekeny hiara-miasa aminay ka nanomezany maimaimpoana ny efitrano hanaovana ny kônferansa.
Isaorana ny Zoromanga izay miara-miasa sy manohana hatrany ny AMK amin'ny hetsika rehetra izay ataony.
Isaorana ireo mpamelabela-kevitra noho ireo lohahevitra mahaliana izay narosony.
Isaorana ireo mpanatrika izay tonga marobe hatrany sady mandray anjara mavitrika tamin'ny adihevitra.
Isaorana koa ireo mpiantsa tononkalo sy mpanakanto izay nanafana ny fotoana
Ireo izay maniry ny hiara-hiasa sy hanohana anay dia mbola rasinay an-tanandroa hatrany. Aza misalasala mifandray aminay.
Mankasitraka indrindra tompoko!