Famaritana

Momba Anay

Inona moa ny KMS?

Ny Kônferansa Momba ny Soratra (KMS) dia sehatra iray natao ihaonan'ireo mpanoratra, mpikaroka, mpandraharaha, mpitia sy mpandala, ary mpampiasa ny asa soratra amin'ny teny Malagasy. Tanjona ny hahafahan'ny rehetra mifanakalo hevitra, mifampizara traikefa, milaza vaovao, ary mifanome sosokevitra hanatsarana ny tontolon'ny asa soratra sy ny fanoratana amin'ny ankapobeny.

Ho tontosaina ny 7 Nôvambra ao amin'ny restaurant Haitsiron'Iarivo, Antananarivo, ny andiany fahefatra (KMS 2021) amin'ny Kônferansa Momba ny Soratra. Ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT) azyno mikarakara ny KMS.

Image
Lohahevitra

Lohahevitra mifandraika amin'ireto ambany ireto no velabelarina sy ifanakalozan-kevitra mandritra ny kônferansa (santionany ihany ireto):

  • asa soratra malagasy sy ny fanatontoloana,
  • asa soratra sy ny teknôlôjia vaovao toy ny Aterineto, Facebook, Wordpress, sns.,
  • teknika sy torohevitra fomba fanoratra sombintantara, tononkalo, tantara foronina, tantara ho an'ny ankizy, angano, asa soratra siantifika, asa soratra an-gazety, blaogy, sns.,
  • tsipelina sy ireo voambolana malagasy vaovao,
  • fandinihana ny asa soratr'ireo mpanoratra malagasy malaza,
  • asa soratra sy ny fanotana boky,
  • tontolon'ny self-publishing, ebook,
  • sns.

Ny Ekipa

Image

Ravorombato Ony Lantoarimamy

Mpandrindra

Mpanoratra tantara fihaino. Voafidy ho mpanoratra malagasy mendrika indrindra tamin'ny taona 2019. Izy no mandrindra ny KMS 2021.

Image

Sitraka Feno Tanteraka

Mpitsara lahatsoratra

Pôeta. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2018. Mpitsara lahatsoratra tamin'ny KMS 2019, ary mbola mpitsara amin'ny KMS 2021.

Image

Voniary

Mpitsara lahatsoratra

Mpiblaogy. Anisan'ireo nanao velakevitra tamin'ny KMS 2019. Ao anatin'ny ekipa mpitsara lahatsoratra amin'ny KMS 2021.

Image

Na Hassi

Mpitsara lahatsoratra

Mpanao slam. Anisan'ireo nanao velakevitra tamin'ny KMS 2018. Ao anatin'ny ekipa mpitsara lahatsoratra amin'ny KMS 2021.

Image

Riambola Mitia

Mpitsara lahatsoratra

Pôeta. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2018. Izy no nanndrindra ny KMS 2019. Mpitsara lahatsoratra amin'ny KMS 2021.

Image

Andrianimerina Hobiana

Mpitsara lahatsoratra

Pôeta. Izy no nandrindra ny KMS 2018. Anisan'ny mpikarakara tamin'ny KMS 2019. Mpitsara lahatsoratra amin'ny KMS 2021.

Image

Hary Razafy

Mpikarakara

Mpanao gazety. Nanao velakevitra tamin'ny KMS 2017. Mpikambana efa ela tao amin'ny KHT. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, ary KMS 2021.

Image

Mainy Kely

Mpikarakara

Infôrmatisianina. Izy no nanorina KHT. Izy koa no tompon-kevitra tamin'ny KMS. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, ary mbola mpikarakara amin'ny KMS 2021.

Image

Benja Ratsimba

Mpikarakara

Mpikabary. Mpikambana mavitrika efa ela tao amin'ny KHT. Mpikarakara ny KMS 2017, KMS 2018, KMS 2019, ary mbola mpikarakara amin'ny KMS 2021.

Mpanohana sy Mpiara-miasa

Ireto ambany ireto daholo ny mpanohana sy mpiara-miasa amin'ny KHT amin'ny fanatontosana ny KMS 2021. Ankoatr'ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra sy fikambanana izay tsy mitonona anarana manohana sy miara-miasa aminay.

Raha maniry ny hanohana na hiara-hiasa aminay ianao dia tsindrio ilay bokotra ery ambany.

Image
Image
Image