Ireto ambany ireto ny anaran'ireo mpanao velakevitra mandritra ny KMS 2019.
Rasolondraibe Ando Nantenaina na Voniary dia mpiblaogy, namorona sy mitantana ny Blaogin'I Voniary. Efa tia nanoratra tantara foronina tamin'ny teny Frantsay i Voniary fony fahakeliny ary nandray anjara tamina fifaninana maromaro.
LohahevitraRAJAONARIVONY Hasina na Gaby Kely dia mpanoratra. Nanomboka nanoratra tamin'ny taona 1991. Mpikambana ao amin'ny Havàtsa-UPEM. Boky tononkalo nosoratany: Pi-maso (2017), Todim-pitia (2018), Tsara Andriamanitra (2015). Boky fanadihadiana nosoratany: Vilany mitongilana.
LohahevitraRAHOILJAON Harinaivo Maminirina Tiana Mickaël na Jirom-panahy dia nanomboka nanoratra ny taona 2016 ka teo amin'ny sehatry ny tononkalo no nanoratana voalohany. Tamin'ny taona 2018 vao nanoratra tantara an'ojam-peo. Tao amin'ny Olivasoa Radio 91.0 FM no namoahany ireo tantara nosoratany.
LohahevitraRASOANIVO Faralalaina Elia Olsenie, na Poety Rebely dia mpanao slam-poezia. Poety Rebely satria zava-misy mandonandona sy teny mavesabesatra no avoakany sy ampiasainy, ary mba tsy ho tampoka be amin'ny mpamaky sy ny mpihaino ny fihainoana azy.
LohahevitraRavorombato Ony Lantoarimamy na Ravorombato dia Mpanoratra, Mpampianatra, Mpikabary. Filohan'ny Havàtsa-UPEM Sampana Arivonimamo. Manana ny mari-boninahitra Chevalier de lĄŻordre des arts, des lettres et de la culture.
LohahevitraMBOLANANTENAINA Marie Nathalie na Mihanta dia nanomboka nanoratra ny taona 2017. Tononkalo no tena manavanana azy. Maro ny hetsika nandraisany anjara. Santionany amin'izany: Sakoroka
(31 Jolay 2019), Hirika
(07 Aogositra 2019), Sakoroka 2
(28 Aogositra 2019), izay samy tao amin'ny Ivokolo Cemdlac avokoa. Mbola mpianatra izy ary ao amin'ny kilasy famaranana.
Ny handrindra ny kôferansa amin'ity andiany fahatelo ity dia Riambola Mitia. Hitatsika eto ambany eto ny mombamomba azy.
Mandritra ny iray andro no anaovana ny kônferansa. Manomboka amin'ny 7:30 maraina ny fotoana ary mifarana amin'ny 5 ora hariva.
Ireto daholo ny mpanohana ôfisialy ny KMS 2019. Ankoatr'ireo dia maro dia maro ireo olon-tsotra sy fikambanana izay miara-miasa amin'ny fanatontosana ny kônferansa.