Mpanohana

Ny Restaurant Haitsiron'Iarivo dia "espace" iray afaka mandray hetsika sy lanonana isan-karazany toy ny mariazy, k├┤nferansa, tsingerin-taona, fivoriana, sns. Misy efitrano mahazaka olona hatramin'ny 100. Misy ny rehetra ilaina amin'ny fanaovana lanonana. Afaka manao ny karazan-tsakafo rehetra: sakafo gasy, eoropeana, aziatika, sns.

Toerana misy azy:

Enceinte ININFRA
Ampitan'ny Lycée Technique Alarobia
Antananarivo

Fifandraisana:

033 82 965 29

Pejy Facebook:

https://www.facebook.com/RestaurantHaitsiro/

Zoromanga dia sehatra fiaraha-miasa miompana amin'ny zava-kanto sy kolontsaina natao indrindra indrindra ho an'ireo mpanakanto sy mpandala kolontsaina mahaleo tena, ambany tany ary miala amin'ny mahazatra. Miasa ifotony ary ny zava-misy hatrany no hiaingana: talenta eo an-toerana, hoenti-manana efa eo, olona efa vonona.

Mandray anjara amin'ny fanandrianana ny teny Malagasy amin'ny fanohanana ireo hetsika ataon'ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko, fiaraha-miasa amin'ny Faribolana Sandratra ary fampiroboroboana ny fitendrena valiha koa.

Manetsiketsika ny lafiny kanto sy kolontsaina any Manjakandriana.

Santionany amin'ny hetsika nokarakarain'ny Zoromanga tao Manjakandriana:

 - hetsika slam,
 - dihy antsoina hoe Dihimbolana (efa nisy andiany roa),
 - atrik'asa fampianarana mitendry valiha,
 - hetsika ara-kanto toy ny sehosehatra.

Hetsika hafa nokarakarain'ny Zoromanga:

 - seho Prozodik,
 - famokarana ilay horonantsary fohy Jiramaty.

Fifandraisana:

034 61 313 98

Pejy Facebook:

https://www.facebook.com/zoromangaa/
@zoromangaa

Misorata anarana dieny izao!