Mpandray Fitenenana
Riambola Mitia
Mpanoratra

Riambola Mitia dia Poeta, Mpanoratra tononkalo sy sombintantara. Miezaka manandratra ny Haivolana sy ny Haisoratra ary ny teny Malagasy. Nandalina momba ny Zavaboahary. Mpandrindra ny Faribolana Sandratra Antananarivo. Efa namoaka boky maro.

Andrianimerina Hobiana
Mpanoratra

Andrianimerina Hobiana dia Poeta, Mpanoratra sombintantara, Mpitantara angano. Filoham-boninahitry ny HAVATSA Arivonimamo. Nomen'ny Minisiteran'ny Kolontsaina ny mari-boninahitra Officier de l'ordre des arts, des lettres et de la culture ny taona 2012. Nisolotena an'i Madagasikara tamin'ny fihaonamben'ny poety avy amin'ny nosin'ny ranomasimbe Indianina tao Salazie, La Reunion ny taona 2012. Namoaka ny amboaran-tononkalo Adolantseto ny taona 2011.

Na Hassi
Mpanao slam

Na Hassi dia poeta-mpanao slam nanomboka nanoratra tamin’ny taona 2003 ary niaka-tsehatra voalohany tamin’ny 2008. Namoaka amboara-tononkalo noraiketina am-peo mitondra ny lohateny hoe Prozodik, l’hystérique et ses masques tamin’ny 2016. Nandalina ny teny Frantsay sy literatiora amin’ny teny Frantsay sy miteny Frantsay tao amin’ny FLSH Ankatso. Nanao fikarohana momba an’i Esther Nirina niainga tamin’ny amboaran-tononkalo Simple voyelle tamin’ny taona fahefatra (Master I).

Sitraka Feno Tanteraka
Mpanoratra

Sitraka Feno Tanteraka (HERINIAINA Jean Michel) dia Teraka ny 12 Mey 1990 tao Ankipahy, Andrainjato Fianarantsoa, distrikan'i Lalangiana. Monina ao Manakambahiny, Antananarivo. Nanomboka nanoratra ny taona 2016 teo amin'ny sehatry ny tononkalo sy sombintantara. Nanorina ny pejy Facebook Ahoana ny fanoratra? ny Aprily 2017, ny vondrona Tononkalontsika ny volana Septambra 2017. Seho an-tsehatra: Seho tokana mitondra ny lohateny hoe Tati-bilana, ny 16 Mey 2018.

Mainty Kely
Infôrmatisiana

Mainty Kely dia manam-pahaizana manokana amin'ny infôrmatika. Manoratra tantara foronina amin'ny teny Anglisy. Mankafy manokana ny teny, kolontsaina, ary ny literatiora Malagasy. Izy no namorona ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ary anisan'ny mpitantana ao amin'izany vondrona izany ankehitriny.

Misorata anarana dieny izao!