Famaritana

Ny Kônferansa Momba ny Soratra (KMS) dia sehatra iray natao ihaonan'ireo mpanoratra, mpikaroka, mpandraharaha, mpitia sy mpandala, ary mpampiasa ny asa soratra amin'ny teny Malagasy. Ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT) no mikarakara ny KMS.


Tanjona ny hahafahan'ny rehetra mifanakalo hevitra, mifampizara traikefa, milaza vaovao, ary mifanome soso-kevitra hanatsarana ny tontolon'ny asa soratra sy ny fanoratana amin'ny ankapobeny.


Lohahevitra mifandraika amin'ireto ambany ireto no velabelarina sy ifanakalozan-kevitra mandritra ny kônferansa (santionany ihany ireto):

 - asa soratra malagasy sy ny fanatontoloana,
 - asa soratra sy ny teknôlôjia vaovao toy ny Aterineto, Facebook, Wordpress, sns.,
 - teknika sy torohevitra fomba fanoratra sombintantara, tononkalo, tantara foronina, tantara ho an'ny ankizy, angano, asa soratra siantifika, asa soratra an-gazety, blaogy, sns.,
 - tsipelina sy ireo voambolana Malagasy vaovao,
 - fandinihana ny asa soratr'ireo mpanoratra Malagasy malaza,
 - asa soratra sy ny fanotana boky,
 - tontolon'ny self-publishing, ebook,
 - sns.

Misorata anarana dieny izao!