Sarin'izy telo dahy nahazo loka tamin'ny fifaninanana tononkalo fitiavana 2015.
Ankavia miankavanana: Dafy Noely, Gloriah Masoandro Malalatiana, Aina Nirina
Naka ny sary: Mainty Kely.
Ireto ambany ireto ny vokatra ôfisialy tamin'ilay fifaninanana tononkalo fitiavana. Nisy tamin'ireo tononkalo nifaninana no nihintsana satria tsy nanaraka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana koa dia tsy nosoratana teto intsony izy ireo.
Raha te hamaky ny sangan'asan'ireo mpandray anjara ianao dia azonao atao ny maka ny boky mirakitra izany.
Nisy ny loka nomena ireo telo voalohany tamin'ny fifaninanana. Ireo loka ireo dia fanomezana avy amin'i Ny Eja mpanoratra. Marihina fa na dia efa fantatra hatrany am-boalohany aza ny fisian'ireo loka ireo dia nifanaraka izahay mpikarakara ny tsy hilaza izany raha tsy aty amin'ny farany satria tiana ho fantatra hoe inona marina no no nanosika ireo olona hifaninana? Ny fitiavana ny teny malagasy marina tokoa ve sa faly ny hahazo ilay loka fotsiny?
Fisaorana mitafotafo noho izany no atolotra an'i Ny Eja satria dia tamim-pitiavana tokoa no nanomezany ireo loka ireo. Nifono tao anaty valopy izy ireo ary tsy navelan'i Ny Eja hosokafan'ny mpikarakara fa dia ireo izay nahazo ny loka ihany hono no nanokatra azy. Noho izany izahay mpikarakara dia tsy nahafantatra mihitsy hoe inona no tao anatin'ireo valopy ireo raha tsy tamin'ny fotoana nizarana azy ka nanokafan'ireo tompony azy.
Teny amin'ny foiben'n gazety Taratra no nanomezana ny loka ho an'ireo telo voalohany. Arahabaina manokana izy ireo, dia i Dafy Noely, Aina Nirina, ary i Gloriah Masoandro Malalatiana.
Ireto ny anaran'reo nitsara ny fifaninanana:
Ireto ny fepetra nentina nitsarana ireo tononkalo:
Nizara andraikitra izahay mpitsara ka: Mainty sy Misandratra no nitsara ny tsipelina, ary M'Umpy, amin'ny maha-mpanoratra sy poeta azy, no nitsara ny hakanton'ny tononkalo sy ny fanarahana lohahevitra.
Nomena isa 10 avy hatrany ny tononkalo tsirairay. Mihena io isa io arakaraky ny isan'ny diso tsipelina ao amin'ilay tononkalo. Izany hoe, raha misy diso tsipelina iray izany dia lasa 9/10 no isa azon'ilay tononkalo, raha diso roa dia 8/10, sns.
Maro tamin'ireo mpifaninana tsy nanaja ny fomba fampiasana ireo mari-piantoana toy ny teboka, faingo, sns, kanefa dia tsy nosokajiana ho isan'ny diso tsipelina izy ireny. Amin'ny ankapobeny izany dia ireo teny diso fanoratra ihany no tena notsaraina.
Noho ny fanampiana sy fanohanana avy amin'ireto olona ireto no nahatontosa ny fifaninanana, koa dia aterina eto ny fisaorana azy ireo:
tiako
tao amin'ny Facebook,Misaotra tompoko.